NY TANY SY NY ZANAK'OLOMBELONA

Nampidirin'i vonynive | 15 Mey, 2012

Hatramin’izao aloha dia mbola ny fambolena sy fiompiana no mamaritra ny ampahany betsaka amin’ny antom-piveloman’ny mponina  Malagasy.

Ny tantsaha no tena mivelona amin’izany ary ny mponina an-tanan-dehibe kosa no mpanjifa.Tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy araka izany ny Tany.

Azo ampitahaina amin’ireo milina mpanodina fahita any amin’ny taozavabaventy  izay afaka manome vokatra ho an’ireo mpampiasa azy ny Tany. Amin’ny maha milina mpanodina azy araka izany dia tokony hokolokoloina sy harovana izy satria taranaka maro no nifandimby teto na ireo mpamboly izany, na ireo mpiompy, na ireo mpanjifa ary tsy adinoina ireo zavamaniry sy biby samihafa izay mivelona aminy izay samy nigoka ny tombontsoa azo avy aminy ka mahatonga  azy  hihareraka na hihasimba tsikelikely.

Ireo  velarantany midadasika izay mbola tsy voajary ananan’I Madagasikara sy ireo tany efa nampiasaina dia mbola azo atao tsara ny manarina azy mba hananany tsiro vaovao mandrakariva.Ary efa maro ireo teknisianina Malagasy afaka hanampy amin’izany.

Koa satria manome aina antsika ny tany dia tokony hanome aina azy koa isika fa tsy variana fotsiny amin’ny fitrandrahana azy.

Ikaloyna 2012

Tonga soa vonynive!

Nampidirin'i vonynive | 20 Jio, 2011
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.